Cailles farcies

490

CAILLES nosesefana lardons fumé 

Zavatra ilaina : 

Cailles izay sahaza 
Tongolo gasy voakiky 
Sakamalao voakiky 
Sira 
Menaka kely 
Beurre 
Lardons fumé 

Fikarakarana azy : 

1. Rehefa voadio tsara ny cailles dia nolomana tongolo gasy sy sakamalao voakiky ary sira sy menaka kely. Nalonako nandritra ny alina ny ahy teto. 
2. Ny ampitso nosesefako lardons fumé sady nasiko beurre kely. 
3. naka plat mitsofoka lafaoro dia nasiko beurre kely voatetika kely dia Nalahatro ny cailles efa voasesika. Avy eo nasiko beurre kely voatetika teo amboniny. 
4. Nisy ambony ilay lardons fumé dia mbola narotsako tao koa. 
5. natao anaty four 150 ° somary avadibadika dia rehefa mendy dia vita. 
6. Azo aroso miaraka amin ny salade na riz aux légumes. 
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Catégorie: