Cake à l'orange

456

CAKE A L'ORANGE

ZAVATRA ILAINA  

ho an'olona 8 :
atody 4
lafarina 175g
yaourt 1
siramamy 1/8kg + 2 sotro fihinanana
lalovay simika 1/2 fonosana (5-6g)
Loranjy 2 (tena masaka sy mamy tsara)

FIKARAKARANA :

- Sarahana ny tapotsiny sy ny tamenany
- Kapohana hisavovona fotsy ny tapotsiny dia avela eo
- Kapohana miaraka indray ireto : tamenany, lalovay, siramamy, yaourt, ranon'ilay loranjy 2, avy eo alefa tsikelikely ao ilay lafarina
- farany,,alaina ilay tapotsiny efa voakapoka dia atambatra moramora amin'ny paty

Fahandroana azy:

Four gasy hatrany : 30 mn fa milamila jerena matetika anefa 
lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
Four vazaha: 200 dgr, temps de cuisson: 25-30mn eo
Fandaniana : 3600 Ariary (18.000 fmg) ! Ny voasary no tsy tafiditra fa efa "dessert" ambiny tato an- trano no nalaiko!

Mazotoa arý o!!

Nahandron'i Tatie Nix

 

 

Catégorie: