Cake au carambar

499

Cake au carambar

Mitovy amin' ny fanaovana cake ihany saingy nampiana vatomamy carambar

ZAVATRA ILAINA:

160 g lafarinina 
3 atody
50 g dobera 
1/2 lalovay
100ml ronono
80g siramamy mena 
20 carambar izay tiana ny tsirony (caramel, fraise, bubble gum....)
Sira iray tsongo

FIKARAKARANA 

Afangaro ny lafarinina, atody, siramamy, lalovay,

Atao anaty casserole ny ronono, dobera, 20 carambars 
Rehefa mitsonika tsara ny carambar esorina amin' ny afo

Afangaro daholo amin' izay ireo rehetra ireo

Osorana dobera ny lasitra, asiana lafarinina kely ary arotsaka anaty lasitra ny fangaro

FAHANDRO AZY

Hafanaina mialoha ny lafaoro

Four vazaha: 180 dgr, temps de cuisson: 40-50mn!!! atao ampovoany tsara, ny "grilles" ambony sy ambany no arehitra amin'izay miparitaka tsara ny hafanàna.

Four gasy hatrany : 20 mn fa milamila jerena matetika anefa 
lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 

mazotoa o

dia alefa anaty four mandritra ny 40 Na 50 mn

Nahandron'i ‎Lysiane NauÐon‎ 

Catégorie: