Cake au citron

372

"CAKE AU CITRON"  - azo atao gouter ity gateau na mofo mamy voasary makirana ity mba miova amin'ny mahazatra 

Zavatra ilaina :

lafarina 200g
lalovay simika 1 sotrokely
siramamy voatoto (sucre glace) 125g
voasary makirana 1 lehibe
atody 3 
menaka 1pot yaourt

 

Fikarakarana azy :

- sarahana ny tamenany sy ny tapotsiny
- kapohina miaraka ny siramamy voatoto sy ny tamenany, arotsaka tsikelikely ny menaka ary kapohina hifangaro tsara.
- arotsaka ny lafarina sy ny lalovay 1 sotrokely, afangaro tsara ihany koa.
- kapohana ho fotsy misavovona (en neige) ny tapotsiny, arotsaka moramora amin'ny fangaro teo aloha
- Faranana @ ranon' ilay voasary makirana sy ny hodiny voakiky.
- alona 30minitra.
 

Fahandro azy:

Four gasy hatrany : 40 mn eo fa milamila jerena matetika anefa 
lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka aloha ao ambany  avy eo apetraka ny lasitra misy ny nahandro ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 

Four vazaha: 180 dgr, temps de cuisson: 30mn!!! 
mazotoa o

de Manitra Rasoavolahanta 

Catégorie: