Cake au soja

378

 

CAKE AU SOJA

Zavatra ilaina:

faikana soja ilay avy nangalana ronono tokony ho 4pot yaourt (azo avy amin'ny soja 1kapoaka),

farine 2 pot yaourt, siramamy 1/2 pot yaourt, menaka 1/2 pot yaourt, levure chimique 1càc, atody 2, raisin sec (facultatif)

 

Fikarakarana azy:

Afangaro ilay faikana soja,  lafarina, lalovay voasivana, ny siramamy ary menaka
Kapohina ny atody dia arotsaka ao anatin'ilay fangarona lafarina dia aroina hifangaro
Afangaro lafarina maina kely ilay raisin sec dia arotsaka anaty paty, aroina tsara
Hosorana menaka ny lasitra cake dia arotsaka ny paty
Ampidirina lafaoro amin'ny hafanana 200° mandritra ny 40mn
Mirary soa daholo!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: