Cake aux anis et gingembre

141

CAKE AUX ANIS ET GINGEMBRE
 

Zavatra ilaina:
- 250g lafarina
- 150g tantely
- 60g siramamy vovony (sucre glace)
- rano 3/4 vera lavalava
- karibonetra 3 tsongo tànana
- tamenak'atody 2
- Vovoka anis (Poudre d'anis) fatra izay tiana: 1 sotro kely
- Vovoka sakamalaho: 1/2 sotrokely
- Vovoka cannelle: 1/4 sotrokely

Fomba fanaovana azy:
- Afanaina miaraka ny rano sy ny tantely ary ny siramamy. Tsy avela angotraka fa atao mafana fotsiny mba hampitsonika ilay tantely. Avela matimaty.
- Kapohina vetivety miaraka ny atody sy ny antsasakin'ilay rano mifangaro tantely sy siramamy.
- Atambatra ny lafarina, vovoka anis, sakamalaho, cannelle.
- Alevina ao anatin'ny ambin'ny rano ny karibonetra.
- Atambatra daholo ny rehetra aveo
- Kapohina mandritra ny 10 minitra

Fomba fahandro azy:
- Afanaina à 200° ny lafaoro mandritra ny 10 minitra
- Asiana "bol" misy rano mangatsiaka ao anatin'ny lafaoro mba tsy ho may ny ivelan'ny nahandro
- Osorana dibera na menaka ny lasitra (moule à cake)
- Araraka ao anatiny ny cake
- Ampidinina 150° ny hafanan'ny lafaoro
- Andrahoina mandritra ny ora iray

Fanamarihana:
- Afaka soloina siramamy tsotra ny siramamy vovony
- Azo tsy asiana cannelle raha toa ka tsy mahazaka
- Raha tiana halemy tsara dia atambaro ny "farine patîssière" sy "farine de maïs" 

Mankasitraka amin'ny fanamarihana eh! Andrana moa izy ity ka dia mahafaly ahy ny mizara amintsika azy eto.

de Tan Rhoney

Catégorie: 
Matériels: