Cake facile

625

CAKE TSOTRA KELY  

ZAVATRA ILAINA:

Lafarina 400g,
menaka 200ml na dibera 200g,
siramamy 150g,
atody 5,yaourt 1,
voaloboka maina,
cacao 1 sotro,
lalovay na "levure" 1 sotrokely

FIKARAKARANA :

1-kapohana tsara ho fotsy ny siramamy atody ,rehefa mihafotsy dia alefa ny menaka na dibera natsonika sy yaourt
2-Alefa ny lafarina sy lalovay efa nafangaro 
3-Akana kely ny paty asina cacao
4-Alefa ny voaloboka maina
5-Atao anaty lasitra nosorana menaka sy nofafazana lafarina ny paty ilay tsotra aloha avy eo ilay misy cacao kely dia farany ilay tsisy cacao .atao tapaky ny lasitra 
6-Andrahoina lafaoro efa nafanaina mialoha amin'ny hafanana 200 mandritra ny 20minitra avy eo ampidinina ny hafanana180 mandritra ny 15minitra

Mazotoa o 

Nahandron'i Tsito'Salohy Ravelomanantsoa

 

Ingrédients: 
Catégorie: