Cake frite

820

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : MOFO sy MASCARPONE - cake frity

ZAVATRA ILAINA

Tamenakatody 3
atody 1
dibera kely 125g (azo soloina menaka ½ boaty yaourt )
siramamy mena 180g
lafarina 1800g
lalovay simika ½ fonosana
mascarpone 180g
hodimboasary makirana voakiky
ranomboasary makira lehibe 1
kaofitiora frezy (vita an-trano raha misy)
vovoka cacao (raha tiana)
 

FIKARAKARANA AZY

1/ Atsonika moramora ny dibera dia esorina ilay raotrany ambony 
2/ Anaty tsatokaty dia kapohana ny tamenakatody sy ny siramamy mandrapahazo rihatra milefaka tsara
3/ Arotsaka ny lafarina sy lalovay efa voasivana dia asia ny hodimboasary makirana voakiky
4/ Arotsaka ny dibera nitsoka sy ny mascarpone, ny atody iray ary ny ranomboasary makirana rehefa mifangaro moramora ireo dia mahazo paty malama tsara, nozaraina roa ka ny iray tsotra , ny iray kosa nasiana vovoka cacao kely dia noharoina tsara hahazo loko sokolà.
5/ Hafanaina ny menaka atao bebe dia raisina amin'ny sotro ny paty dia endasina, avadika rehefa mena loko ary tandremana fa mora masaka , 
6/ Atao ambony "essui tout- sopalin" na taratasy hiala tsara ny menaka dia aroso ary norarahana "sucre glace" nefa azo hohanina amin'ny kaofitora koa 

Mazotoa o 

Hevitra nalaina tamin'ny nahandron'i Lova Petit Rama - Graine de faim kely : cake aux fraises et mascarpone 
 

Catégorie: