Cake quatre quart

106

CAKE QUATRE QUART

ZAVATRA ILAINA:

Atody 2

"Sucre glace" 90g

Lafarina 90g

Dibera 90g

"Cacao" 10g

FIKARAKARANA :

 

- Afanaina milaoha 180°C mandritry ny 10 minitra ny lafaoro

- Avela ho malemy toy ny pomady ny dibera, arotsaka ny "sucre glace", avy eo, alefa koa ny tamenak'atody

- Kapohana handroatra fotsy ny tapotsiny (en neige ferme)

- Arotsaka ao anatin'ny fangaro tetsy aloha, avy eo arotsaka ny lafarina efa voasivana

- Hakana kely ilay paty, dia alefa ao ilay "cacao"

- Arotsaka anaty lasitra efa voaomana ilay paty tsotra, izay vao alefa ilay misy "cacao"

- Ampidirina lafaoro 180°C mandritra ny 1ora

 

Fanamarihana : tsy mampiasa levure fa tsy hoe adino akory a!

 

nahandron'i Ravaka Nyravaka‎ 

 

Catégorie: 
Matériels: