Cake salé 1

768

Cake salé

Zavatra ilaina 

lafarina 3 kopy,
menaka 1/2 kopy,
lalovay na "levure"1 sotrokely,
atody 2,
sira 1 tsongo,
legioma atao efamira kely "en dé" (karoty, haricot vert, courgette), petit pois, mortadelle fa afaka atao wrustel ihany koa (atao carre) kely...

Fikarakarana azy:

Endasina mialoha ny legioma amin'ny menaka kely di kely....
Kapohina ny atody, arotsaka ny menaka 1/2 kopy, ny lafarina, lalovay ary sira dia afangaro ao ny legioma efa voaendy sy izay "charcuterie" voatetika,
Atao anaty lasitra efa nasiana dibera sy lafarina na koa "papier cuisson"

Fahandro azy:
- Four gasy: raha lafaoro gasy no ampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
- Four vazaha: 180 dgr, vita eo amin'ny 40 minitra! fa ny lafaoro mila efa nafanaina mialoha 
jerijerena ary tsindromina antsy raha tsy misy pate manta manaraka intsony dia vita.

Mazotoa o
Nahandron'i Maheritiana Faraniaina Rasandiharisoa

Catégorie: