Cake zebré 2

1082

CAKE ZEBRE

zavatra ilaina :
atody 2
lafarina 6sotro
siramamy 6sotro
lalovay simika 1sotrokely
sokola
menaka 6sotro

Fikarakarana :
- kapohana ny tapotsin'atody sy siramamy mandra-pahalevony
- avy eo, arotsaka ny tamenany, ny menaka kapohana tsara
- arotsaka ny lafarina sy lalovay efa nafangaro, aroina.
- zaraina 2 ny paty avy eo ka asiana sokola efa natsonika ny antsasany.
- Arotsaka anaty lasitra ka atao mifanelanelana ny paty. Ary atao anaty lafaoro efa nafanaina (lafaoro gasy no nampiasaiko)

Mazotoa o !
nahandro sy sarin'i Ylan Razafindramaho