Canard laqué

560

"CANARD LAQUE"

Tsy ganagana iray manontolo akory fa ilay faritra be nofony ireny.

ZAVATRA ILAINA :

faritra be nofony amin'ny gana Tongolo gasy voakiky.
Sakamalaho voakiky.
divay mena 2 sotro fihinana.
"Sauce soja sucré" 3 sotro fihinana.
"Sauce soja clair" 2 sotro fihinana.
Vinaigitra fotsy 2 sotro fihinana.
Tantely 3 sotro fihinana.
"5 épices" 1 sotro fihinana ( azo atao "4 épices" raha tsy misy ).
Menak'oliva 2 sotro fihinana.
Sira

FIKARAKARANA AZY :

1. Atao anaty bol lehibe ireo rehetra ireo dia harona tsara. Rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ao amin' izay ilay gana ary afangaro tsara. Saromana "papier aluminium".
2. avela nilona indray alina anaty vata fampangatsiahana sy mandrapa ahiditra azy anaty lafaoro. Isaky ny tsaroana dia afangaroaro foana.
3. Alaina ny "plaque au four" dia asiana "papier aluminium", avy eo alahatra eo amboniny ny gana efa nilona. Ny faritra misy hodiny foana no atehaka amin' ny 'plaque' amin ny voalohany. Atsofoka anaty lafaoro mila jerijerena dia avadibadika .
4. 150° ny hafanana ny lafaoro, lafaoro mandeha 'gaz' no nampiasaiko teto
5. Nohanina niaraka tamin ny 'haricots verts à la vapeur'

NB : raha toa tsy misy lafaoro dia azo atao amin'ny vilany misarona, ary atao afo malefaka, rehefa ritra sy mendy dia vita

Mazotoa daholo indray aza ho antsika izay mankafy 

 Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé.

 

Catégorie: