Cannelloni au crabe

484

CANNELLONI AU CRABE 

ILAINA: 

"cannelloni" 100g
"chaire de crabe" 250g, 
epinara 1 fehezana
tongolo 2
tongolo gasy
voasary makirana 1
fromazy voakiky 100g
"sauce bechamel 1 pot yaourt"
karoty 1

FIKARAKARANA :

- Ampangotrahana mandritra ny 5minitra anaty rano efa misy sira ny cannellonie, avy eo atsoboka avy hatrany anaty rano mangatsiaka
- Endasina kely ny tongolo voatetika madinika sy ny tongolo gasy voatoto, arotsaka ny "chaire de crabe" ary tsiratsirahina tsara, arotsaka ny epinara, avela hiketrika kely 5minitra
- Rehefa ritra ilay ranon- tsasan'ilay anana dia bataina, avela hangatsiaka, asiana karoty voakiky somary vaventy, asiana ny antsasaky ny fromazy voakiky, rarahana ranona voasary makirana. Afangaro tsara. Io no asesika anatin'ilay paty "cannelloni".
- Asiana menaka ny lasitra "gratin", alahatra ao ireo cannelloni voasesika, tondrahana lasaosy fotsy (sauce blanche) eo amboniny, asiana "ketchup" kely (jereo sary) fafazana ilay fromazy ambiny.
- Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha amin'ny hafanana 180° mandritra ny 20minitra.

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: