Carpaccio

731

CARPACCIO - HENA MANTA - TRONDRO MANTA 

Carpaccio de boeuf ou carpaccio de poisson ( thon blanc ou espadon)

ZAVATRA ILAINA 
- nofon-kena na nofo-trondro 
- voasary makirana na "combava"
- menaka oliva
- "parmesan"
- "épices": dipoavatra na voatsiperifery na "baie de rose"
- sira na "fleur de sel" raha misy.

FIKARAKARANA AZY:

- Ampidirina anaty "congelateur" 24h ny hena na trondro mba ho faty daholo ny "bacterie" (ilay bolongany iny no tsara )
- Rehefa manomboka "decongelé" dia tetehana manify dia manify dia atao anaty vilia misy "sopalin" mba hitsika ny rano.
-.rarahana ranom-boasary makirana na combava sy kikin'ny hodiny kely 
- Asiana menaka oliva ary "parmesan"
- Asiana "épices" izay tiana ary sira ihany koa 
- ampiarahana amin'ny legioma manta izay misy toy ny salady ary azo hohanina amin'ny mofo raha tiana

Mazotoa o
Am-pitiavana foana
Nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: