Carpes royales sauce

Portrait de Angie
765

Carpes royales sauce- 

 

Zavatra ilaina:

 

carpes royales, na trondro izay misy
voatabia,
tongolo be,
tongolo lay,
tongolo maitso,
menaka,
Sira
 

Fikarakarana azy
 

- manao saosy: endasina ny voatabia sy tongolo be voatetika, asiana tongolo gasy kely voatoto ary tongolo maintso voatetika madinika

- zaraina roa ny sauce ka ny antsasany atao ao anaty vilany ny antsasany esorina amin'ny vilia aloha

- rehefa voasasa tsara ny trondro dia tetehana araka izay tiana na koa avela ho ilay ngezabe,

- apetraka eo ambonin'ilay sauce ny trondro ary araraka eo amboniny ilay sauce tamin'ny vilia

- ampiana menaka kely ihany sy rano 1 vera dia tsy kitihina intsony mandrapaha masaka

ps : atao afo ambany

mazotoa o

 

Nahandron'i Mializo Randria

 

Catégorie: