Chicken Pop

Portrait de Angie
1074

Faly miarahaba antsika indray, efa akaiky ny fety ka hafaliana ho anay ny manolotra recette kely ho anareo ato indray, 

TSAKITSAKY NA LAOKA : CHIKEN POP
sakafo ho an'olondroa

ZAVATRA ILAINA
Elatra akoho 250 g (trois pièces ka rahefa vita dia tokony hanana telo isaky ny olona)
lafarina 150 g
atody iray
chapelure iray fonosana 500 ar
Menaka fanendasana
sira sy dipoavatra

FIKARAKARANA AZY
tapahana hizara roa ny elatra akoho (esorina koa ilay lohany kely amin'ny tendrony iny)
vosirina aminy antsy hiseo ny taolana ka avela tsy alana tanteraka, atao toy izany koa ilay ilany iray (misy taolana roa izy io dia esorina ny iray , zay voa voasirina midina)
asina sira sy dipoavtra
akasoka anaty lafarina aloha, avy eo akasoka anaty atody voakapoka ary farany akasoka anaty chapelure
afanaina ny menaka dia endasina amin'izay
mazotoa daholo indray ary e !

Mikanto Traiteur - Mikanto boutique en ligne 

 

Ingrédients: 
Catégorie: