Chips

1034

Miarahaba 

TSAKITSAKY: CHIPS 

ilay hohanina iny andro iny ity; fa ilay hotehirizina mbola tsy hita ny fikany; fa raha misy tsara sitrapo hanoro dia raisina an-tanan-droa

ZAVATRA ILAINA:
ovy fotsy 2
sira
vinaingitra 1sotro
rano
kobambary na vovo-katsaka kely

FIKARAKARANA AZY :
- Sasana sy voasana ny ovy dia fisahana faran'izay manify (antsy ny ahy teto). Lomana amin'ny rano mahadifotra nasiana vinaingitra mandritry ny 1ora farafahakeliny. 
- Kosehana tsara dia ariana iny rano iny, soloina rano tsotra dia lomana indray. 
- Soloina ny rano afaka ora iray raha toa ka tsy mbola fotsy tsara ary dia navelako hilona mandra-maraina ny ahy.

- Tsihifina, dia fafana tsirairay amin'ny lamba madio ho maina.
- Fafazana kobambary kely na vovo-katsaka kely dia alefa anaty menaka mafana, tsy atao be am-bilany. Rehefa vita vao asiana sira.

Afaka asiana hasina tongolo gasy iray ny menaka hanendasana azy dia manimanitra tsara :)

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam