Choux farcie

928

CHOUX FARCIE - LAISOA VOASESIKA

ZAVATRA ILAINA :

totonkena : 250grs
mofo dipaina 
ronono 20 cl
tongolo be, tongolo gasy ( tsy voatery) , tongolo ravina voatetika madinika , ireo telo ireo dia arak' izaybhitiavana azy ny habetsany
sira sy dipoivatra
atody 1 
voasary makirana 1 
laisoa maintso 1
cube bouillon 1 (raha tiana)
zavatra ilaina tsy voatery : karaoty lehibe 1 na 2/ thym, laurier, divay fotsy.

FIKARAKARANA AZY:

- sarasarahana ny ravina laisoa , diovina tsara, etsy andaniny kosa apangotrahana ny rano amin'ny vilany lehibe , velaro ny ravina laisoa ka arotsahy ao anaty rano rehefa mangotraka ny rano, avelao halefaka ( 15 - 20 minitra ) 
- tetehana madinika ny tongolo sy zavamaintso izay tiana hatao aminy , atao anaty tsatokaty (bol)
- arotsaka ny totonkena sy atody dia afangaro tsara
- tetehana ny mofo, arotsaka anaty ronono ary potserina na hoe fihazana hiala tsara ny ronono alohan' ny hanafangaroana azy anaty tsatokaty.
- potserina ny voasary makirana ary arotsaka anaty fangaro rehetra.
- alaina ny ravina laisoa efa avy nampangotrahina, dia velarina, alaina amin' ny sotro ny fangaro , apetraka eo ampovoan' ny ravina, dia ahorona ny ravina . 
- Hafanaina ny menaka , alahatra tsirairay ny ravina efa voasesika , rarahana tongolo voatetika, karaoty voatetika, thym, ary laurier, lemana amin' ny divay fotsy tapa- bera (tsy voatery) arotsahy ny ranon'ny "cube bouillon" iray tasy, saromana ary avela ho masaka.

Mazotoa

Nahandron'i NyÉko Soké Zita

Catégorie: