Choux surprise

74

CHOUX SURPRISE !

Ity indray ny manaraka
Crevettes, trondro asaratsaraka,
Poivron maitso sy mena,
Laisoa aha-tsara jerena.

Alohan'ny anombohana azy,
ilay laisoa no atao vazy,
papier alu no atao fonony,
cure-dent no atao tonony.

Rehefa Masaka ny trondro,
Tsapaina tsara amin'ny fanondro,
Dia esorina ny nofony,
asio tongolo ravina hanala fofony.

Dia ampio sira kely,
maïzena tsikelikely,
Ataovy baolina amin'izay,
Dia ny rano ampangotray!

Arotsay ao izay vita,
Fa vetivety ts'hitahita,
Raha vao iny mitsikafona,
Dia esory avy amin'ny afony.

Avelao hitsiaka tsara,
ao anaty passoire,
Dia andrahoy ny crevettes,
Diovy tsara ho metimety.

Ny poivron indray teteho
Dia ampitovio avy eo,
Ka ny trondro asiana mena,
Ahodina aminy toy ny hena.

Ny crevette asiana maitso,
Atao mifanolana toy ny haitso "h"
Ka cure-dent no asiana azy,
Mety koa raha tapa-kazo.

Atsindrona amin'ilay laisoa,
Dia tsara endrika tokoa!
Mba jereo ange ity izy?
Hazoto homana ny ankizy!!!

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: