Clafoutis au cocktail de fruits

606

CLAFOUTIS AUX FRUITS 

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 100g
siramamy 100g
ronono 1/2L
dibera 30g
atody 4
karazam-boankazo: papay, mananasy, poara, letchi, paoma

FIKARAKARANA :

- kapohana ny siramamy sy atody
- tantavanina ny lafarina dia araraka moramora ao amin'ilay atody,
- empoina ao anaty ronono ny dibera( izany hoe hafanaina kely ny ronono) dia afangaro amin'ilay lafarina efa vita teo aloha.
- maka lasitra, hosorana dibera kely, alahatra ny voankazo voatetika papay, mananasy, poara, letchi, paoma. Ity dia azo atao izay voankazo tiana fotsiny (ohatra: paoma ; akondro ;poara ; frezy,....) dia arotsaka eo amboniny ny paty
- Alefa anaty lafaoro efa nafanaina mialoha, 180°C mandritry ny 30 minitra.

Mazotoa o 

Nahandro'i Mayer Loupm, nokarakarain'i ‎Miora Rakotonjanahary 

Catégorie: