Coco confits

204

COCO CONFITS

Fisaho lava fisaka ny coco efa voadio
DIa makà siramamy mitovy lanja @ io!

Ataingeno afo ary asio rano mandifotra azy
Aroiroy rehefa akaiky ho ritra @ zay tena aminazy!

Tandremo tsara ny siramamy tsy hivadika caramel
Fa esory ambony afo vao iny ny ranony toy ny miel!

Dia avelao hangatsiaka ary haroroy tsy ankijanona
Avy eo izy miparitaka, izay no porofo fa tena vanona!

Ny ahy io matoa manga dia mba tiako nasiana loko
Fa azonao avela fotsy, mena na koa voninavoko!

Entiko hilazana f'izay loko tianao dia mety daholo
ny coco koa toy izany na iray na roa na folo!

Dia izay ary no izy
Fa mazotoa ianareo rankizy!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: