Concombre farci

12

Concombre farci

zaraina ampifaliana hatrany fa hafakely ity fa mora atao tsara:

Zavatra ilaina : 

concombre, toto-kena, epices, tongolo sy sakamalao, sira, menaka,

Fikarakarana:

- voasana ilay concombre dia sasana.

-Tapahana kely ny lohany mba afahana manala ny ao anatiny.

- Dia iny lohany kely notapahana iny tsy ariana fa rehefa tafiditra ao anatiny lay farce dia saromana ilay goaka iny izany hoe lay lohany kely iny averina amin'ny toerany somary asina ohatry ny croix fa atao canal dia ny vodiny koa amin'izay misy hamatorana azy sao dia mivoaka le farce. Fa tsy tafajanona eo iny raha tsy fatorana.

Ny farce :

maka toto-kena dia asiana zava-manitra araka izay hitiavana azy (ohatra : toto-kena atao saosy carry kely aloha) dia atsofoko ao anaty concombre.

Avy eo dia afanaina ny vilany na lapoaly dia asiana menaka, alefa ny tongolo sy sakamalao mba ampamanitra azy ary alefa ao ny concombre zay voahidy tsara izany hoe somary afatotra amin'ny kofehy ny lohany.

Avela hiketrika kely sady avadibadika sao may, zay vao asina rano kely dia masaka avy eo.

Nahandron'i Elroch Zanamakoa

Mazotoa o

Catégorie: