Confiture de litchi

835

 " KAOFITIORA LODSY" (Confiture de litchi ou letchi ou Litchee)

ZAVATRA ILAINA

ho an'ny lodsy 1 kg :
- Lodsy 1 kg
- siramamy mena 800 gr
- voasary loranjy 1

FIKARAKARANA :

- Voasana ny lodsy, zaraina 2, esorina ny voany, dia zaraina 2 indray
- potserina ny loranjy hakana ny ranony
- Alaina ny vilany na zavatra jobo hahandroana ny lodsy, ka afangaro ao ny lodsy, siramamy mena ary ny ranon'ny loranjy
- Ahandroina amin'ny afo malefaka mandritry ny 20 minitra ary aroroina matetika
- Alaina ny lovia mangatsiaka tsara, dia andrarahana kely ao ny kaofitiora, atongilana ny lovia, tokony hikoriana mora ny kaofitiora, izay izy no vita. Fa tohizana kely ny fahandroana raha toa ka mbola mitsiranoka be ilay izy.

FITAHIRIZANA :

iny izy mbola mangotraka iny no alefa anaty "bocal", hidina tsara dia ahodina ny "bocal" ka ny sarony no atao ambany, dia avela eo mandra-pangatsiakanny tanteraka. Maharitra amam-bolana

Nanangona sy nandika ny recette ho antsika dia ny namana Vero Randriam,

Sary nindramina 

Mazotoa mampihatra dia manasa anao hizara izay vita ao amin'ny pejy Mamina 

Catégorie: