Confiture de peche

Portrait de Angie
1079

KAOFITIORA PAISO

 

 Sasana sy voasana ny paiso dia esorina ny voany, lanjaina ny nofony

- Mandanja siramamy mitovy fatra amin'ny nofom-paiso azo (raha 1kg ny paiso, dia 1kg ny siramamy, na azo ahena kely 750g) 

- Atao anaty vilany ireo, dia asiana ranom-boasary makirana 1 na 2 hanolo ny "pectine" 

- avela mangotraka sy masaka tsara, mila aroina matetika mba tsy hiraikitra amin'ny vody vilany.

- Rehefa hitanao fa marihitra ilay izy dia masaka izy izay.

 

Na koa, ny ahalalana fa vita ny kaofitiora : hakana kely dia atao ambony lovia madio, dia atongilana ilay lovia. Rehefa tsy mikoriana be intsony izy fa somary mamikitra dia vita.

 

FANAMARIHANA 

 

- raha tiana hotehirizina izy dia tsara kokoa iny vao vita sy mbola mafana iny ny kaofitiora no atao anaty "bocal" saromana tsara dia alahatra ao anaty vilany dia ampangotrahana.

 

- Esorina dia ahohoka ( ny vavan'ny "bocal" no atao ambany, tsy miraraka io rehefa hidina tsara) mandra-pangatsiakany tsara.

Maharitra be io raha toa ka tsy mbola nisokatra.

 

- Tsy manisy rano ianao raha hotehirizina fa mitera-drano iny rehefa tratran'ny siramamy. Afaka manisy rano raha ilay hohanina eo no ho eo toy ny anay fahiny, ilay vao mafana iny sy misy ranondranony no tadiavinao.

 

Nahandro natolotr'i Vero Randriam ary fampiharana sy sarin'i ThinaRaffaele Dimitri

 

Mazotoa o !