Confiture goavy

Portrait de Angie
203

KAONFITIORA GOAVY 

azo atao tsara ny confiture goavy sady mora na ara-bola io na fanamboarana azy

ZAVATRA ILAINA:

Goavy masaka tsara ohatra 1 kg
siramamy 600 g par kg ny lanjan'ny goavy eo ( misy manao mitovy lanja fa izay tiana ihany moa no hamaminy)
voasary makirana 1

FIKARAKARANA AZY: 
sasana tsara ny goavy dia tetehina tsy dia madinika fa na mizara 4 na koa atao boribory dia mety
atao anaty vilany dia asiana rano mahasarona azy dia andrahoina 15- 20 minitra eo ary tsy haroina mihitsy, avy eo dia tatavanina 
atao anaty "moulinex" fanaovana legioma ireny ka ny voany mijanona ao anatiny ny nofony kosa lasa creme miraraka ao ambany.
lanjaina ilay nofony lasa creme io (tokony ho 400g eo raha goavy 1 kg no natao) avy eo atao ao anaty vilany ary asina asiana ranomboasary makirana sy siramamy mitovy fatra aminy raha tia mamy be fa azo hahena kokoa,
andrahoina amin'izay amin'ny afo malefaka mandritry ny 30 à 40 minitra eo koa ary haroina matetika fa miraikitra ary avela ho ritra tsara. 
Azo hohanina avy hatrany raha vao vita 
Azo atao anaty bocale efa nosasana madio ary raha tiana ho tehirizina ela dia rehefa mikatona ny "bocal" dia mila averina ampangotrana indray, izay vao avela amin'ny toerana mangatsiaka fa tsy voatery frigo.

recette efa taloha be tamin'ny mbola be lelo io
dia mazotoa ary o 

 

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: