Cookies

396

COOKIES

Zavatra ilaina :

--100g sokolà mainty (ny ahy nahenako ny fatrany teto sady otran'ny lasa potika loatra)
- 100g lafarina
- 75g dobera
- 1 atody
- 100gr siramamy
- 1càc lavanila vovony
- 1 mitsongo sira
- 1/2 càc lalovay

Fikarakarana azy

1°/ Kapohana miaraka ny dobera sy siramamy
2°/ Arotsaka ny atody, lavanila, lafarina, lalovay sy ny sira
3°/ Kapakapaho ny sokolà dia afangaro ao koa
4°/  Volavolaina kely fotsiny, tsy lalaovina be ny pâte fa rehefa mahazo forme dia mety
5°/  Fonosona "sachet alimentaire" dia fatorana mafy tsara ny sisiny roa ary atsofoka anaty vata fampangatsihana mandritry ny 15mn mba hipetraka kely, dia avy eo tetehana, dia alahatra ambonin'ny "papier sulfurisé"
5°/ Atsofoka lafaoro 10mn amin'ny hafanana 180°

Mazotoa o 

nahandron'i Jo Razafy

 

Catégorie: