Cornet feuilleté au poisson

628

FANOKAFAM-BAVONY: CORNET FEUILLETE' AU POISSON

• Pate feuilleté
Pate feuilleté 250g efa vita no nampiasaina teto 
Didina lavalava ny paty tokony ho 2cm, dia ahodina amin'ny "moule cornet", ampidirina lafaoro 200° mandritra ny 20 minitra

• Sesika :
Nofona trondro, voasary makirana, tongolo maitso, kotomila, creme fraiche
Andrahoina ny nofona trondro dia asiana ranona voasary makirana ; afangaro amin’ny tongolo maitso sy kotomila notetehina madinika avy eo ary asiana creme fraiche ary asesika ao amin'ilay cornet

• Sauce mornay
Hoan’olona 4: 
ronono 25cl, dibera 20g, lafarina 2 sotro, sira, dipoavatra
Atsonika ny dibera, arotsaka ny farine ary haroina haingakaingana, arotsaka tsikelikaly ny ronono masaka sady manafangaro hatrany, asiana sira sy dipoavatra dia ajanona rehefa masaka ny lafarina ka azo izay rihatra ilaina.
Io saosy Mornay io no anondrahana ilay cornet etsy ambony ary fafazana fromazy nokikisana madinika.

Mazotoa o
Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: