Couscous aux grenades

871

SAKAFO MAHALEO TENA : COUS COUS SY AMPONGAMBEN-DANITRA - (en italien : Couscous e melograno ) -  recette végétarien

ZAVATRA ILAINA:

Cous Cous 250g
hanitra izay tiana:paprika, kotomila kely
dipoavatra, sira
rano 750ml
menaka oliva 1 sotro
apongamben-danitra matoy tsara 1

FIKARAKARANA AZY:

- Atao anaty bol lehibe ny couscous ary ny paprika, afangaro tsara daholo.
- Araraka ao ny rano 750ml mangotraka dia afangaro kely fotsiny dia saromana aloha (sarombilany na amin'ny "pellicule") dia avela hipetraka eo amin'ny 10-15 minitra eo mandrapaha ritra ny rano rehetra izay trohan'ny cous cous.
- Mandritra izany dia sokafana ny ampongaben-danitra ka zaraina roa dia somary kapohana ny vatany dia mivoaka ny nofony dia atokana.
- rehefa tapitra ny 10 na 15 minitra dia afangaro amin'ny sotro rovitra "fourchette" ny couscous mba hisaratsaraka tsara.
- Asiana menaka, sira ary dipoavatra, dia afangaro tsara hatrany.
- Afangaro ao koa ny nofon'ny ampongamben-danitra
- Farany ny kotomila voatetika madinika dia vita.

Mazotoa o

Andry Mamina

 

Catégorie: