Crème chantilly

260

Crème chantilly :
maro ny efa mahay fa misy foana ny mbola vao mianatra mahandro ka indro ary ny fanaovana, crème chantilly :

zavatra ilaina:
crème fraiche (hopla, danica, monalisa sns ), siramamy na sucre glace
NB: misy efa misy siramamy ireny hoplà sns ireny ka tsy asiana siramamy intsony 
ny fatrany dia araka izay ilainao ihany an,
raha tsy manana frigo dia ny monalisa hono no tsara ampiasaina

Fikarakarana azy

-Atao anaty frigo aloha ny crème fraiche sy ny bol ary fouet hanaovana ny chantilly raha ho atao antanana. 
- raha mafana ny andro dia maka bol 2 ny iray kelikely ny iray lehibe ka asiana glacon atao anaty bol lehibe dia eo ambonin'io glacon io no apetraka ny bol kelikely asiana ny zavatra ilaina

(afaka mividy glace ilay mivaingana ireny raha tsy manana vata fampangatsiahana)
- kapohana hiakatra tsara ny crème fraiche ary rehefa tena miakatra ambonimbony vao asiana ny sucre glace ,

NB: azo asiana colorant raha tiana, raha siramamy kosa no ampiasaina dia miaraka kapohina mialoha.

mazotoa o

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: