Crèpe aux légumes

491

Miarahaba o
 

FANOKAFAM-BAVONY -ENTREE CHAUDE- "CREPE AUX LEGUMES" - végétarien 

 

ZAVATRA ILAINA :

- Ho an'ny "Pâte à crêpes" (mahavita 12 isa) :
lafarina 250g
atody 3
ronono 1/2L
sira 1/2 sotrokely
dibera 50g

- ho an'ny atiny :
karaoty
persila
harikaovera
"jambon"
fromazy

- ho an'ny "sauce béchamel"

dibera 50g
lafarina 50g
ronono 500ml na 1/2 L

FIKARAKARANA :

* * ho an'ny "crêpe" :
- Afangaro anaty bol ny lafarina sy sira ary atody ary ny ronono,

- atsonika ny dibera dia alefa ao amin’ny paty,
- avela hilona 30minitra, endasina avy eo .
- Tsy mila menaka intsony rehefa manendy azy.

* * ho an'ny legioma :
- Sasana ny legioma dia andrahoina mitokana ny anaty ranon-tsira na atao "à la vapeur" na masakevoka dia : mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy an'ilay nahandro  (tsy mikasika ilay rano ny nahandro fa ambony ny lasitra)  dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy, ny persila kosa tetehana majinika

** ho an'ny "sauce béchamel" :
-. Arotsaka anaty vilany amin'ny afo malefaka ny dibera malemy( efa navoaka mialoha raha tao anaty vata fampangatsiahana)
- Rehefa mitsonika tsara dia arotsaka ny lafarina, aroina tsara, rehefa tsy miraikitra amin'ny vilany intsony, dia arotsaka ny ronono ary aroharohana foana mba tsy hisy hitambaingana
- rehefa tonga amin'izay rihatra ilaina dia bataina hiala eo ambony afo.

Fanamarihana : Io ihany fa asiana fromazy voakiky sy tamen'atody ny "sauce mornay"

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina

 

Catégorie: