Crêpe au fromage

Portrait de Angie
597

"CREPE AU FROMAGE"

 

ZAVATRA ILAINA:

Ny "crêpe" :

lafarina1vera

rano 1 vera

Sira

 

FIKARAKARANA:

 

Afangaro tsara tsy hisy hivaingana.

Alaina amin'ny sotrobe jobo na kopy hamarana azy.

Arotsaka anaty lapoaly mamay nohosorana dibera na menaka.

Aparitaka hameno lapoaly , ka rehefa hita fa miendaka @ lapoaly dia azo avadika. Esorina dia manao hafa indray.

 

Ny anatiny :

 

- "Béchamel" ( mitovy fatra ny dibera sy ny lafarina, sira, tapohana ronono sy ataingina ambonin' ny afo malefaka. Aroina tsy mijanona mandra-pariatry ny saosy )

 

- "Fromazy" (ohatra : mozarella )

Atao anaty "crêpe", alahatra anaty lasitra ( na lapoaly ) mihosotra dibera.

Asiana dibera kely koa eo amboniny mialohan' ny hanaovana azy anaty lafaoro 200℃ na ambony afo malefaka misarona tsara.

- Rehefa hita fa miempo ny fromazy sy dibera dia efa azo aroso.

 

Fanamarihana :
Raha atao amin'ny saosy voatabia dia tsy asiana "béchamel" ny ao anatiny fa fromazy sy "farce"- na sosisy fotsiny.

Lafihana sady saromana saosy voatabia masaka vao atsofoka anaty lafaoro.

Dia izay ambina "crêpe" eo asiana Nutella, ody am-bava fo, vita ooo

 

Nahandron'i Tiana Parlato

 

Catégorie: