Crêpe panée à la sauce béchamel

128

CREPE PANEE A LA SAUCE BECHAMEL

Teto dia nisy nanontany:
Crêpe panée à la sauce béchamel,
Fa inona loatra hono izany?
K'ity ary ilay izy ry mademoiselle!

Ny pâte 'ny crêpe no atao mialoha
Atody iray, 150 g la farine
Sira iray mitsongo na roa
ronono 4 vera tsy maninona.

dia kapohina ireo mba hifangaro
Avy eo dia avela haka aina,
Dia mbola maka atody 1 fa tsy afangaro
Kapohina anaty lovia iray fa ilaina!

Atao anaty lovia hafa ny chapelure
Dia avela eo akaikiny eo koa.
Raha tsy mahita ianao dia tena sûr
fa mofo maina na biscotte mety koa!

Kosehina @ tavoahangy fotsiny ireo
Dia potipotika aok"izany!
Mitovy ihany ny fivoakany avy eo,
K"inona no hamakianao loha @'zany?

Hafanao @ izay ny vilany
dia asio dibera 1 sotro fotsiny,
Asio potika tongolo gasy kely ihany
Fa io no mahamanitra ny fofony!

Dia araraho ao ny ronono 1 baolina
Sira kely sy la farine 2 sotro lehibe
Avy eo ianao dia mila tena malina,
Manafangaro azy @ ny fouet!

rehefa iny ka marihitra tsara
dia esory @ izay ka hatokàny,
Dia mandehana ianao mikarakara
ny zavatra hafa f'avelao eo ilay vilany!

Vita ary izay ilay sauce béchamel
dia ny jambon indray ary atao
Izay habetsany tianao ry demoiselle,
Tsy maninona fa teteho dia afangaroy ao!

Vitao amin'izay ilay crêpe
anaty lapoaly nasiana dibera
aza avela ho may sy hikarepoka
fa jereo tsara ny fandehan'ny lera!

Avy eo ataovy ao anaty lovia
dia asio ilay fangaro efa vita,
Ny fahaizanao manao azy akia
sy ny fitandremanao eo no ho hita!

Rehefa izay rehetra izay,
Mamanà indray menaka,
Ilay crêpe voasesika alaivo tsirairay,
Ampadalovy ilay atody, ilay chapelure f'aza reraka!

Ahodino anaty menaka ilay izy
Mba ho mendy ary koa hikarepoka
Aza tsindriana fa satria ny devizy
dia ny hamoaka azy avy ao tsy mikefoka!

Asio salade ny lovia ary tsy maninona
izay haingo tianao anaovana azy,
Fa ny ahy nasiako citron sy clémentine,
Tena tiako mantsy ireo, tsy vazivazy!

Dia izao ary ilay izy akia!
Ary hoy aho hoe:  bon appétit!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: