Crabe sy tehezan-kisoa

Portrait de Angie
1042

LAOKA: CRABE SY TEHEZAN-KISOA

ZAVATRA ILAINA:

Crabe
tehezan-kisoa
tongolo gasy
tongolo be,
thym,
romarin,
sira,
dipoavatra
voasary makirana
menaka

FIKARAKARANA AZY:
 

Sasana tsara aloha ny crabe dia alona amin’ny ranomboasary makirana, tongolo gasy ary dipoavatra.
Endasina mendy tsara kosa ny hena, miaraka amin ny tongolo gasy, tongolo be, thym, romarin, sira, dipoavatra.
 Endasina mitokana koa ilay crabe voadio tsara sy efa avy nalona tamin’ny voasary makirana
tongolo gasy, dipoavatra .
Afangaro ny nahandro roa dia saromana, hifangaro ny tsiro ary hampisy saosy azy. Azo asiana voatabia raha tiana.
 Rarahana kotmila rehefa handroso azy mihitsy.

Mazotoa
Nahandro sy sarin'i Laferme Ilafy - 11 aout 2017 

 

 

Ingrédients: 
Catégorie: