Crepe panée

Portrait de Angie
1049

FANOKAFAM-BAVONY na TSAKITSAKY - "CREPE PANEE "

ZAVATRA ILAINA :

- Ho an'ny "Pâte à crêpes" :
Atody 1
Lafarinina 1 vera
Rano 1 vera
Sira
- ho an'ny sesika :
vermicelle
toton-kena
-ho an’ny pané 
Atody 1 na 2
potimofo maina na “chapellure “
menaka fanendasana

 

FIKARAKARANA AZY:

* * ho an'ny "crêpe" :
Afangaro daholo izy rehetra fa ny lafarina no alefa tsikelikely amin'zay tsy mitambaingana,
apetraka kely eo am 30mn eo, 
hosorana dobera na menaka ny lapoaly dia arotsaka amin'izay ny crepe, alaina amin'ny sotro be jobo "louche" atao eo amin'ny 1 minitra eo ho eo ny ambadika sy ambadika dia vita dia avela hangatsiaka.

* * ho an'ny sesika : azo ovaina araka izay tiana : legioma, trondro, hena sns 
- Endakendasina ny toton-kena asiana izay hanitra tiana sy sira,
- mampangotraka rano asiana sira dia andrahoina ny vermicelle, rehefa masaka dia tatavanina ary tetehina madinika
- Afangaro ny toton-kena sy vermicelle

* * ho an'ny pané:
- maka vilia roa ka ny iray misy atody voakapoka ary ny iray misy chapellure
- hafanaina ny menaka mandifotra azy (tsara kokoa raha atao kelikely isaky ny manao azy mba tsy hampihena ny temperature menaka)
- maka crepe iray dia asiana sesika ary ahorona toy ny tsihy rehefa mifono tsara dia ampandalovina anaty atody avy eo anaty potimofo ary dia endasina
- atsika tsara amin’ny “essui tout” na taratasy fampiasa an-dakozia mba hiala ny menaka be loatra.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Fanirizo Arimalala

 

Catégorie: