Crepes au fromage Galbanino et bechamel

912

SAKAFO ODY AM-BAVA FO : CREPE SY FROMAZY ARY BECHAMEL:

 

BECHAMEL

ZAVATRA ILAINA:

Ronono 1/2 l

Lafarina 50 g

Dibera 50g

Sira sy dipoavatra
 

 

FIKARAKARANA AZY:
Miara arotsaka anaty vilany jobo avokoa ireo zavatra ilaina dia atao ambony afo malefaka, arohina tsy miato mandrapaharidritra azy. Dia avela hangatsiaka.

 

CREPE:

 

ZAVATRA ILAINA
Atody 1

Lafarinina 1 vera

Rano 1 vera

Sira

FIKARAKARANA AZY:
Afangaro daholo izy rehetra ny lafarina no alefa tsikelikely amin'zay tsy mitambaingana,
apetraka kely eo am 30mn eo, 
hosorana dobera ny lapoaly dia arotsaka amin'izay ny crepe, alaina amin'ny sotro be jobo "louche" atao eo amin'ny 1 minitra eo ho eo ny ambadika sy ambadika dia vita dia avela hangatsiaka.

 

FANAMBARANA 

Alahatra daholo ny zavatra ilaina efa voaomana : crepes, bèchamel, fromazy Galbanino voatetika lavalava ohatra ny fanondro.

Alaina ny crepe iray dia velarina, asiana bechamel sy fromage voatetika vao ahorona,
Alahatra anaty lasitra fisaka efa nosorana dibera, ary asiana dibera kely koa eo ambony. 
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°  vao atao anaty lafaoro, rehefa hita fa miempo ny fromage dia vita ary azo aroso.
 

FANAMARIHANA :
- crepe azo atao siramamy fa tsy sira, asiana nutella anatiny na confuture, na rarahana "sucre glace" fotsiny.

- raha masira kosa dia azo ovaina ny ao anatiny toy ny saosisy na jabon, na legioma izay tiana efa masaka

- Raha atao amin'ny saosy voatabia  kosa dia fromazy sy saosisy na fromazy fotsiny ny ao anatiny dia tsara koa.

- Rarahana fromazy parmesan sy pecorino voakiky rehefa aroso na izay misy.

 

Mazotoa homana ooo

Nahandron'i Tiana Parlato 

 

Catégorie: