Crevettes panées

480

CREVETTES PANEES 

ZAVATRA ILAINA :

"crevettes" izay sahaza
atody 2
poti-mofo
lafarina kely
tongolo gasy hasiny 2 (tsy voatery)
persily (tsy voatery)
sira, dipoavatra

FIKARAKARANA :

- Esorina ny loha sy ny hoditry ny "crevette" ka ny hodiny amin'ny rambony no sisa ajanona raha ho an'olondehibe fa raha ho an'ny ankizy dia esorina avokoa.
- Tatahana kely ny lamosiny hanesorana ny tsinainy ilay mainty kely iny. Diovina tsara .
- Maka lovia 3 ka zaraina ao ny : lafarina kely - atody 2 voakapoka - poti-mofo
- Maka bol ka kapohana ao ny atody, sira, dipoavatra, tongolo gasy voatoto, persily voatetika madinika
- Ampandalovina lafarina ny "crevette", asoka anaty ranon'atody, dia fonosina poti-mofo (atao toy izay tsirairay)
- Afanaina ny menaka ,tsy atao mamay loatra, dia endasina ao ny "crevette", andrasana mendy ny lafiny ilany vao avadika indray.
- Rehefa masaka dia tsihifina ambony taratrasy hialan'ny menaka.

Fanamarihana :azo hanina miaraka amin'ny salady na koa atao sakafo mahaleo tena toy ny tsakitsaky 
Mazotoa o 

 

Catégorie: