Croissant

920

CROISSANT ( pâte levée tsy mampiasa dibera)

Mahavita 7 raha ny habe mahazatra fa ny ahy eto kely. Mety amin'ny olona matahotra hatavy :). Mitovy amin'ny pain au lait ny vokatra.

ZAVATRA ILAINA:

lafarina 350g
ronono niala herotra (écrémé) 230ml
lalovay (levure de boulanger) 1fonosna
tantely 1sotro fihinanana
sira 1sotrokely safoina
siramamy fotsy (ho afafifafy)
tamenak'atody 1 sy rano 1sotro (ho an'ny dorure)

FIKARAKARANA AZY:

- Maka tsatokaty lalindalina dia alefa ao ny ronono matimaty, ny tantely, ny lalovay, avela hipetraka 10 minitra
- Avy eo, arotsaka ao ny lafarina sy sira. Volavolaina tsara mandra-piendaky ny paty tanteraka amin'ny tsatokaty (10 minitra no tsara)
- Rakofana lamba madio avy eo ny tsatokaty ary avela hitombo amin'ny toerana mafana mandritry ny 1ora sy sasany farafaha-keliny ny paty.
- Avy eo, fafazana lafarina ny latabatra, dia atontona sy polipolesina eo ilay paty mba hialan'ny rivotra ao anatiny. Ary dia fisahana hanify amin'ny kibao (rouleau)
- Atao izay ahazoana telolafy mitovitovy habe. Raradrarahana siramamy, dia ahorona, somary afaingoka kely ny sisiny 2 (fa eto tsy nataoko) ary apetraka ambony "plaque" nasiana "papier sulfurisé" na "emballage", dia avela hitombo indray 30 minitra na mihoatra.

- Afanaina ny lafaoro 200°C
- Hosorana tamenak'atody nokapohana ny tapon'ny mofo ary atsofoka mandritry ny 10 na 15 minitra na mandra-pivolombolamena ny mofo.
- Avela hangatsiaka dia azo hohanina amin'izao na sesehana kaofitiora na nutella.

Araho an-tsary dia mora azo tsara

Mazotoa 

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: