Croquette au fromage

1000

TSAKITSAKY : CROQUETTE AU FROMAGE 

ZAVATRA ILAINA :
Lafarina 600g - 700g
levure chimique 1fonosana (11g)
sira 2 sotrokely safoina 
vache qui rit 2 isa na mihoatra (azo ovaina izay tianao)
dibera natsonika 125 - 150g ( (raha beurre demi-sel dia ahena ny sira)
rano 50 à 100ml (izay mampitambatra azy)

FIKARAKARANA AZY :

- Afangaro ny lafarina sy lalovay ary sira
- Arotsaka ao ny dibera natsonika avy eo dia kosehana amin'ny felatanana roa, mazaho paty mamasipasika (pâte sablée).
- Potserina dia afangaro ao ny vache qui rit.
- Farany, asiana rano " kely dia kely" (araraka tsikelikely) dia kosehana amin'ny vohon-tanana toy ny hikosoka lamba mandra-pitambany ho bola 1 (tsy lalaovina ela)
- Fonosina lamba lena na fonosina "papier film" na atao anaty bol fotsiny dia saronana lamba. Avela hilona 1ora.
- Somary iverenana kosehana amin'ny tanana indray avy eo (tokony hahazo toy ny pâte à modeler isika), izay no ahalalana fa mety ny paty

Famisahana azy :

eto natao kibao (rouleau) fa mety koa milina "machine" ka raha N°1 no lehibe indrindra, dia ny N°2 no hanaovana azy

a) na fisahana indray mandeha ny bolongana dia avalona toy ny manao "pâte feuilletée" (jereo ao amin'ny commentaire ny sary ho an'izay vao hianatra) avy eo tetehana madinika dia endasina
b) na zaraina ho bola maromaro, fisahana tsirairay avy eo ary omena "tour" tsirairay, dia tetehana madinika ihany.

==> Atao 6 tours simples mba hampivoaka tsara azy. Tsy mila alona eo anelanelan'ny "tour" (tsy mila temps de pause).

Mety amin'ny "CACAPIGEON" tsotra io paty io, mety amin'ny "VOANDALANA" ihany koa. Amin'izay fotoana izay atao "3 tours" ihany (araho ny sary)

ialako tsiny ety am-boalohany raha sary nampifamenoina no hanazavana azy satria tsy naka sary feno aho tamin'izany.

 

Mazotoa mampihatra, mazotoa homana, mahazoa mihary ihany koa o!

Nahandron'i Vero Randriam (sary 24/05/2016)

Catégorie: