Croquette de pomme de terre au jambon et fromage

7

Croquette de pomme de terre au jambon et fromage 

Zavatra ilaina :
ovy 500g
atody 2 (iray atao amin’ny ovy ny iray amin’ny pané)
sira
fromage rapé 50g (parmigiano )
jambon 50g (be loatra io fa tsy afaka hividy latsaka angamba. Azo soloina mortadelle, saucisson, lard fumé sns )
poivre
tongolo maintso (facultatif)
fromage (mozzarella, gruyère , etc)
chapelure

Preparation:

andrahoina miaraka amin ny hodiny ny ovy asiana sira ny rano, na koa andrahoina en vapeur
rehefa masaka dia avelao hangatsiaka (ny ahy ataoko ny alina dia maraina efa mangatsiaka vao manohy aho )
teteho lavalava eoa m 3cm eo ny jambon ary tetehana toy izany koa ny fromage (mozzarella no tena fanaoko)
voasana ny ovy ary potserina amin’ny fourchette na mixer-na , atao anaty bol
arotsaka ny atody , fromage rapé , ny sira ary ny poivre (tongolo maintso voatetika majinika kely raha asiana) dia afangaro tsara daholo
raisina ny fangaro dia fisahana amin ny tanana , asiana mozarella na fromage avy eo jambon dia hidiana ilay izy , tokony ho cilindre de 8cm eo ary tokony ho 3 cm de large (sary eo ambany)
arotsaka ao anaty atody voakapoka
avy eo safoina ao amin ny chapelure
ary dia arotsaka ao anaty menaka mamay

PS: rehefa manedy azy dia atao amin ny vilany avoavo ary tery , atao be menaka mba hitsikafona ny croquette ary tokony ho 2 na 3 isaky ny manao ihany mba tsy hampiena ny temperature dia lasa tsy dia tsara
- raha malemy loatra ny pate natao dia afaka asiana farine kely 1 sotro na chapelure kely ho maimaina kokoa

ny chapelure nampiasaiko eto dia mofo tato efa lany andro nataoko tao anaty four avy eo no mixer-na dia izay no manome io loko io
rehefa hihinana vao endasina fa nataoko anaty frigo aloha

Dia mazotoa ary o

Catégorie: 
Matériels: