Croquette de saumon au pomme de terre

6

Ireo zavatra ilaina

Fillet de Saumon frais500g (raha tsy misy dia na en boite na surgelé)
Ovy 500g
Tongolo maintso na coriandre izay tiana
Sira
Chapelure
Oignon
Atody 1

Fikarakarana azy:

1 andrahoina miaraka amin ny hodiny ny ovy (15 min raha cocotte minute ary 30 à 40 min raha vilany tsotra araka ny habean ny ovy )
2 sasana ny saumon dia arotsaka ao anaty rano mangotraka efa nasiana sira miaraka amin ny hodiny koa, andrahoina eo amin ny 10 min eo dia masaka fa miankina amin ny hateviny koa
3 rehefa masaka dia esorina ny hodiny sy ny taolana, atao amin ny tanana sao misy tsy afaka tsara
4 mixer-na ny saumon sy ny ovy (afaka potserina amin’ny fourchette fotsiny koa ny ovy)
5 afangaro ao anaty bol ny ovy sy ny saumon
6 arotsana ny tongolo oignon voatetika majinika dia afangaro
7 arotsaka koa ny tongolo maintso voatetika majinika dia afangaro
8 arotsaka ny atody dia afangaro tsara
9 arotsaka ny chapelure 4 sotro eo dia afangaro
10 maka vilia fisaka asiana chapelure ary dia amboarina amin’izay izay forme tiana, ny tsara dia atao boribory aloha dia avy eo potserina ho fisaka
11 afanaina ny lapoaly misy huile d’olive tsy atao be satria efa masaka daholo io fa juste omena couleur
12 rehefa mena mena tsara eo amin 2 a 3 min eo avy ny ilany dia vita

Ps :- azo atao anaty four koa raha tsy te hanendy fa 10 min dia vita à 180 ° avadika an
-Ary azo soloina nofotrondro izay misy koa
Izaho sady manao frity no manao au four
Samy tsara tena tian'ny ankizy be

Mazotoa indray ary o

Catégorie: 
Matériels: