Croquette saonjo

Portrait de Angie
187

LAOKA na TSAKITSAKY : CROQUETTE SAONJO

Zavatra ilaina

Ho an'olona 4: 
saonjo gasy 5 madinika
fromazy 100g
tongolo maitso
tongolo gasy,
sira
poti-mofo (chapelure)
lafarina
atody 2
menaka

Fikarakarana :

- rehefa voadio ny saonjo dia voasana ary andrahoina avy hatrany. Rehefa masaka dia potsehina halemy
- afangaro anaty « saladier » iray: potsitra saonjo, atody 1, tongolo gasy voatoto, tongolo maitso notetehina madinika, fromazy voakiky.
- Rehefa izay, dia volavolaina omena endrika ; ampandalovina anaty lafarina, dia izay vao alefa ao anaty atody voakapoka ary alefa anaty « chapelure » vao endasina amin'ny menaka mafana.

Mazotoa o

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: