Crudité

Portrait de Angie
1081

FANOKAFAM-BAVONY MANGATSIAKA – ENTREE FROIDE : Karoty sy voatabia voasesika 

Hevitra azo atao mba entina maneho ny fanokafam-bavony

ZAVATRA ILAINA 

Voatabia 1
Atody masaka amin'ny akorany 1
tongolo kely 1
Clou de girofle 3
"Macedoine de legume" izay sahaza atao anaty voatabia 1 : karoty, ovy, korzety, baranjely  sns izay tiana , notetehina efamira kely
Tahona maskita 1

FIKARAKARANA AZY
1- esorina ny lohan'ny voatabia ho atao satroka.
2- alana ny atin'ny voatabia, sesefana "macedoine de légume".
3-atsatoka anatin'ilay voatabia misy "macedoine" ny tahona masikita
4- atsatoka eo koa ny atody  efa nandrahoina amin'ny akorany
5- apetaka ny tongolo efa voatsatoka clou de girofle toy ny maso sy orona
6- ampisatrohana ilay silaka voatabia
Dia afaka didinina lasary zay tiana ny lovia,rarahina saosy vinaingitra.

Nahandron'i Verohanta Ralambosoa 07.12.17

 

Catégorie: