Crumble de pomme

769

VERRINE DE CRUMBLE DE POMME - Nahandron'i Niry Rafi

 

Zavatra ilaina

 

ho an'ny verrines 6 :
paoma marikivikivy 500g ( na paoma golden koa tsara)
siramamy 50 g
ranom-boasary makirana 1
vovoka kanelina "cannelle" 1 tsongo 

Ho an'ny crumble : 
lafarina 150g
siramamy mena 100g (cassonnade na sucre brun)
dibera malemy 75g 

Ho an'ny chantilly: 
crème liquide 500ml 
siramamy 100g

Fikarakarana azy:

1) ho an'ny "crumble" : 
- maka "bol" dia atao ao ny lafarina, dibera ary siramamy mena (azo asiana hanitra koa eto: lavanilla, kanelina,...)
- volavolaina haingana amin'ny ratsa-tanana ary avela hifandray tsara nefa mba ho mamasipasika fa tsy mitambatra 
- Maka plat asiana papier sulfurisé, dia atao eo amboniny ny crumble
- ampidirina lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C 10- 15 minitra 
Tandremo fa mila andrasana tsara, rehefa mivolombolamena dia vita

2) ho an'ny Chantilly : 
atao anaty "robot" ny siramamy mba hahazoana "sucre glace"
kapohana hiakatra ny "chantilly au fouet" rehefa tafakatra dia arotsaka tsikelikely ny "sucre glace" ( tandremo sao ela loatra ka mivadika dibera)

3) fikarakarana ny paoma:
voasana ny paoma dia tetehina efamira madinika, atao anaty vilany dia andrahoina ary avela masaka moramora ka asiana ranom-boasary makirana sy siramamy ary ny hanitra izay tiana (kanelina eto). Rehefa hitanao fa masaka ny paoma dia vita izay.
Ny nanampiako azy : Ny ahy somary asiako djama kely 

4) fanaingona azy :
- Atao ambany indrindra ny paoma avy eo chantilly, farany ambony ny crumble
- ampidirina anaty vata fampangatsiahana dia aroso

Mazoto daholo
Am-pitiavana foana

Nahandron'i Niry Rafi

 

Catégorie: