Cupcake 1

Portrait de Angie
594

CUPCAKE

Zavatra ilaina

mahavita 12 isa
lafarina 200g, siramamy 200g, dibera 100g, lalovay simika1càc, "parfum vanille" 1càc, ronono 1 pot yaourt, atody 2, cacao 2càs, "creme fraiche sucré" 250ml

Fikarakarana 

Afanaina 200° ny lafaoro
Kapohina hifangaro ny beurre malemy sy ny siramamy, arotsaka tsirairay ny atody, arotsaka indroa mandrotsaka ny farine + levure voasivana, haroina hatrany, alefa indroa mandrotsaka koa ny ronono, rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny cacao nolevonina tamin'ny rano kely
Asiana "caissette" ny "moule muffin" dia fenoina paty hatreo amin'ny 3/4 ny, ampidirina lafaoro mandritra ny 20mn
Kapohina ho chantilly ny creme dia hanaingoina ny gateau rehefa mangatsiaka
ireo amin'ny sary ireo ny douille nampiasaina nazahoana ny endriky ny creme
Mirary soa daholo e

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: