Dessert glacé à l'ananas et aux figues

843

DESSERT GLACE' A L'ANANAS et AUX FIGUES
Tsindrin-tsakafo mangatsiaka amin'ny mananasy sy kaofitiora aviavy

Zavatra ilaina :
mananasy amin'ny boaty 1(340g)
mascarpone 250g 
crème liquide 30°/°MG 500ml
sucre glace 1sotro 1/2 fihinanana
tamenak'atody 2
"biscuit à la cuillère" na "boudoir" 10 isa
kaofitiora aviavy (confiture figue) 1 pot

Fikarakarana azy :
- Maka bol vy, dia alahatra amin'ny sisiny ny didi-mananasy notsihifina (atokana ny sirao)
- Kapohana miaraka ny atody sy mascarpone, kapohana mitokana ny crème liquide sy sucre glace ho tonga chantilly, atambatra moramora ireo avy eo
- alefa handrakotra ny atin'ny baolina misy ny mananasy voalahatra (toy ny hoe ilay mananasy amin'ny sisiny no lalorina - izay vao alefa eo afovoany ny ambin'ny lakirema)
- Arotsaka koa ny kaofitiora aviavy
- fenoina boudoir nolemana tamin'ny siraon'ny mananasy avy eo eo amboniny
- Atsofoka "congélateur" mandritry ny 3ora farafahakeliny
- Avoaka minitra vitsy alohan'ny hihinanana, ahohoka ambony lovia madio,(somary lemana rano kely vodin'ny bol ivelany raha tsy miendaka avy hatrany ny dessert), didiana amin'ny habeny tiana dia aroso.

Fanamarihana
- Ny Mascarpone vita an-trano efa manana isika ato 

- Aleoko mananasy amin'ny boaty fa iny azo antoka hoe tsy marikivy :)

Mazotoa mijery ny fikarakarana an-tsary dia zarao izay masaka na eto amin'ny "commentaire" na ao amin'ny vondrona Mamina. 

Nahandron'i Vero Randriam

Catégorie: