Dité amin'ny paoma

751

ZAVA- PISOTRO : DITE AMIN'NY HODITRA PAOMA 

 

ZAVATRA ILAINA:

Hoditra paoma 
Rano 
Siramamy
 

FIKARAKARANA AZY:

- Hamainina ny hoditra paoma, rehefa maina tsara dia afaka tehirizina
- Rehefa hanao dite dia somary endiendasina amin'ny lapoaly maina ka rehefa mahazo loko mivolom-bolamena dia vita
- arotsaka anaty rano hanaovana dite araka izay habetsahany tiana, rehefa mahazo loko tsara dia vita
- tatavanina dia sotroina.
- Azo asiana siramamy na tantely araka izay tiana
- Betsaka ny soa azo avy amin'ny paoma ka tokony tsy misy very e

Mazotoa o !

 

 
nahandron'i Lah Randria  recette tao anaty boky "Ny Sakafontsika"

 

Catégorie: