Elatr'akoho laqué pané

Portrait de Angie
1056

TSAKITSAKY na LAOKA: AILS DE POULET LAQUE PANE - ELATR'AKOHO 

ZAVATRA ILAINA:
elatr'akoho izay sahaza (eto 1 kg)
tongologasy voatoto 1 sotro fihinana
sakamalaho 1 sotro kely fihinana
tantely 2 sotro fihinana ( azo atao siramamy)
saosy soja masira 3 sotro fihinana 
saosy soja mamy 2 sotro fihinana (tsy voatery fa ampitomboy fotsiny ny tantely)
sira 1 sotro kely
atody 2
lafarina
chapelure na potimofo na potika biscotte (chapelure eto)
menaka fanendasana 

FIKARAKARANA AZY:
 
- rehefa voadio sy vokarakara ny elatr'akoho dia sarahana ilay fehikely sy ilay lavalava iny 
- lomana tongologasy, sakamalaho, saosy soja mamy sy masira, tantely, sira mandra-pihinana
- maka lovia telo misy ny atody voakapoka, ny chapelure , toy izay koa ny lafarina ,
- raisina tsirairay ny elatr'akoho efa voakarakara teo, dia apandalovina anaty ilay lafarina, avy eo anaty atody izay vao chapelure
- endasina ami'ny menaka mafana sy afo malefaka 
- atsika tsara ambony "sopalin na essui tout" rehefa masaka mba hiala ny menaka.

mazotoa ho an'izay makafy

Nahandro sy sarin'i Rasoa Tia Mahandro - 04.09.17

 

Catégorie: