Entrée froide

853

FANOKAFAM-BAVONY MANGATSIAKA – ENTREE FROIDE :

ZAVATRA ILAINA 
Izay zavatra misy amin’ny fotoana sy toerana ka tiana dia mety avokoa eto moa dia 
- karôty, voasary makirana, kiwi, katsaka (maïs doux) sy tahon-katsaka koa ireo lavalava ireo, ary endives, lentilles, kokombra
- atody akoho ireo lehibe, ary atodin-tsipoy ireo madinika (oeufs de cailles) 
- saumon
-menaka 
- sira

FIKARAKARANA AZY: 
Nandrahoina tamin’ny akorany ny atody karazany roa
Notetehina araka izay bikany tiana fotsiny ny karoty, kiwi atao toy ny voninkazo, ary tahon-katsaka
Dia ireo mahatonga azy ho voninkazo indray dia endives. 
Dia iretsy natao nipetrahan'ireo atody indray dia lentilles; 
Tetehina ny saumon dia atsatoka amin’ny “cure dents” dia asiana voasary makirana ary atsatoka amin’ny kokombra
Nasiana ranom-boasary makirana sy menaka ary sira avokoa ireo rehetra ireo.
Azo ovaina araka izay zava-misy moa 
Mazotoa o

Sakafo nandritry ny fety natolotrin'ny naman'i Ny Riana

 

Catégorie: