Felan'ny korzety frity

1037

Miarahaba indray o 

TSAKITSAKY - ODY AM-BAVA FO na GOUTER: 
FELAN'NY KORZETY FRITY– FIORI DI ZUCCHINE FRITE

ZAVATRA ILAINA
felan'ny korzety ilay mavo tsara
fromazy voakiky 
sira, 
dipoavatra
menaka fanendasana
atody

FIKARAKARANA AZY
Esorina ny tahony sy ny vony ao anatiny 
sasana tsara dia hamainina 
Kapohana ny atody dia asiana fromazy voakiky sy sira ary dipoavatra na izay hanitra tiana Hafanaina ny menaka
Raisina ny felan'ny korzety dia ampandalovina ao anaty atody voakapoka ary arotsaka ao anaty menaka, avela ho mena fify dia avadika, vetivety dia vita , apetraka ambony “sopalin” mba hitsika tsara ny menaka.

Mazotoa o 
Nahandron’i Malalatiana Lolah Fredie 

FANAMARIHANA : 

Misy karazany maro ny fanaovana azy ity afaka misafidy ianao amin’izay tiana sy misy ao an-trano atao araka ireto fomba hafa:

2. PASTELLA : PATE A BEIGNET 

ZAVATRA ILAINA:
laingon'ny korzety ilay mavo tsara
menaka fanendasana

ho an’ny pate à beignet : 
rano matimaty 170g (eau gazeuse no tsara)
lafarina 100g
lalovay 10g na 1 fonosana 
sira kely 
siramamy kely 

FIKARAKARANA AZY: 

atao anaty bol kely ny lalovay dia asiana rano 20cl eo handevonana azy (esorina amin’io rano ilaina io)
atao anaty vilia bol hafa kosa ny lafarina dia asiana lavaka eo ampovohany, arotsaka tsikelikely ao ny rano ary kapohana amin’ny “fouet ” mandrapaha ahazoana paty marihatra
arotsaka ao ny rano misy lalovay ary afangaro tsara mba tsy hisy mitambaingambaingana.
Saromana dia avela hipetraka kely 30 minitra eo dia karakaraina ny laingon’ny korzety. 
Esorina ny tahony sy ny vony ao anatiny ary sasana tsara dia hamainina 
Hafanaina ny menaka
Raisina ny laingon'ny korzety dia ampandalovina ao anaty “pate à beignet” ary arotsaka ao anaty menaka, avela ho mena fify dia avadika, vetivety dia vita , apetraka ambony “sopalin” mba hitsika tsara ny menaka.

 

3. TEMPURA 

ZAVATRA ILAINA:
laingon'ny korzety ilay mavo tsara
menaka fanendasana
ho an’ny tempura:
rano glacé be 200g (eau gazeuse no tsara)
lafarina 100g
tamenatody 1
sira

FIKARAKARANA AZY

Karakaraina ny laingon’ny korzety: esorina ny tahony sy ny vony ao anatiny ary sasana tsara dia hamainina 
atao anaty vilia bol ny tamenakatody sy lafarina arotsaka ao anatin'io tsikelikely ny rano glacé be dia afangaro tsara foana amin’ny “fouet ” mba tsy hitambaingana.
Hafanaina ny menaka
Raisina ny laingon'ny korzety dia ampandalovina ao anaty “pate à beignet” ary arotsaka ao anaty menaka, avela ho mena fify dia avadika, vetivety dia vita , apetraka ambony “sopalin” mba hitsika tsara ny menaka. Rehefa vita vao asiana sira. 
Mazotoa

Ingrédients: 
Catégorie: