Feuilletée aux legumes

41

FEUILLETEE AUX LEGUMES

Zavatra ilaina

pate feuilletée 500g (pret : rayon frais au grande surface)
karoty 6 isa
korzety 1kg
saosy voasary makirana
fromazy 250g
ketchup
moutarde

Fikarakarana azy:
Ampangotrahina ny karoty rehefa notetehina efa-mira madinika. Nafangaro tamin'ny fromazy voatetika efa-mira madinika sy ny moutarde ary ny ketchup kely
Tapatapahina 10sm efa-mira ny pâte feuilletée; napetraka teo amboniny amin'ny atsasany ny fangarona karoty dia ampifanaromana avy eo lalorina atody voakapoka mba ho menamena tsara rehefa masaka,
Atao anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha mandritra ny 25 minitra amin'ny hafanana 200°
Tetehina boribory manify ny korizety tanora rehefa voadio, ary avy dia lomana ilay saosy voasary makirana
velarina ambony vilia amin'izay ny korizety voatetika ary haingoina amin'ny ketchup kely, apetraka ny feuilletée

mazotoa homana!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Fanamarihana: raha te hanao "pate feuilletée" dia ity misy 

250g lafarina, 125g "beurre feuilletage", sira 2 tsongo, rano10cl d'eau na 10 sotro fihinanana

tatavanina tsara ny lafarina mba tsy hisy tambongany,asiana lavaka eo ampovoany dia asiana ny sira sy rano ary afangaro tsara,
avy eo atao manome "boule" somary maimaina, avela hipetraka kely anaty bol mandritra ny 15 minitra ;
vita izay dia asiana lafarinina ny latabatra, atao eo ny paty TSY KOSEHANA ATAO MANIFY FA TOY NY HOE VELARINA FOTSINY,
apetraka eo amboniny ny dibera voatapataka, akatona 2 ilay pate dia avadika izay vao kosehina (MARIHIKO IHANY FA TSY KOSEHINA HO FISAKA FA MANJARY MIVOAKA FOTSINY ILAY DIBERA), rehefa mikosoka azy dia atao izay hahazahoana efa-joro (rectangle) ilay paty, hidina 2 indray ilay paty dia fonosina "sachet" dia avela ao 15 - 30 minitra,
dia mitovy tsy misy hafa amin'ilay fikosehana ilay paty tamin'ny voalohany ihany, isaky ny avy mikosoka dia hidina dia kosehina dia hidina dia kosehina dia hidina, minimum ianao in-4 manidy dia farafaha betsaka in-6 (6 fois)

 

mazotoa o 

Catégorie: 
Matériels: